Mahay ny zavatra rehetra (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaotra anao izahay noho ny haben'ny fitiavanao
Fa na tombonan'andro na fofon'aina tsy misy tsy nomenao
Mahatsiaro sambatra heniky ny fitahina noho ny famindraponao
Nahita ny herin'ny fifaliana ka misaotra Anao zahay

Mahay manao ny zava-drehetra Ianao
Andriamanitry ny fahagagana
Famonjena, fiantrana, fo onena, famelana
Aim-baovao fa fitiavana Ianao, fitiavana Ianao

Mahay manao ny zava-drehetra Ianao
Andriamanitry ny fahalalana
Fitahina, fitondrana, fifaliana, famelana
Aim-baovao fa fitiavana Ianao

Mankasitraka, misaotra fa efa nanararaotra ny fanatrehanao
Voakasiky ny herin'ny fanahy, zahay vavolombelona fa velona Ianao
Tafatoetra tamana amin'ny firaisana amin'ny fanahinao
Ilahatsahan'ny fanavaozan-tsaina velon'aina ka misaotra anao

Mahay manao ny zava-drehetra Ianao
Andriamanitry ny fahagagana
Famonjena, fiantrana, fo onena, famelana
Aim-baovao fa fitiavana Ianao, fitiavana Ianao

Mahay manao ny zava-drehetra Ianao
Andriamanitry fahalalana
Fitahina, fitondrana, fifaliana, famelana
Aim-baovao fa fitiavana Ianao


Tombony ho ahy, Andriamanitra fanahy
Manana anao, manana anao

Fa fitiavana Ianao ka misaotra anao izahay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rija Rasolondraibe
Visites : 17080
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : kofakama
Date : 13/01/2011 15:05
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4418