Asehoy ahy (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na ny tsy  hita . Na ny afenina aza fantatrao
Zay  efa  vita , ny  nenina  sy  izay  mbola  hatao
Ny  herinao  tsy  misy fetra .Tsy  ho  voafaritra , An - tsaiko  ao
F’izay momba ahy  rehetra  efa  voadinikao



Ref : Asehoy ahy hahitako
      Toe-panahy sy ny fahotako
      Aiza  ho  aiza  aho . Sao  dia nandao  
      Tafasaraka  aminao
      Homeo fitsapana , homeo fisedrana aho
      Mba hijoro am - po  torotoro
      Sao  variana  tratra  aoriana aho
      Tafasaraka  aminao


Ampangino aho raha  mitory  izay  tsy  nolaizainao
Sao  hoe 'zaho  indray  no hita ho'aho fa  tsy  Ianao
Mba  tsy  ho  menatra  aho raha ho avy ilay andro iray
Fa  mba  ianao  no nampandroso ahy an-tranon’ny Ray

Ref...

Ampianaro aho  hahalala  
Aza  havela  aho  tompo  malala  o
Ampianaro  aho  mba  hanisa
Ny  andro  sisa
ieeeeeeeeh

Ref...

Ampianaro  aho  hahalala  
Aza  havela  aho  tompo  malala o
Ampianaro  aho mba  hanisa
Ny andro  sisa
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rija Rasolondraibe
Visites : 9965
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Ferrari
Date : 23/08/2005 07:35
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201