Fanantenana (RHL ( Rise Hight our Lord ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FANANTENANA

Ny androko   ny fiainako   sy izay rehetra mety ho ahy
dia apetrako ho eo antananao Jesoa
reo     lasa ratsy tsy nahasoa
efa   voafafanao   avokoa
Misaotra era-po
Nalatsakao, ny Rà-nao soa
Nanafaka ny gadrako taloha

Ref :  
Fanantenana ho ahy ianao Jesoa
Ho tena iray  fanahy iray aminao tokoa
Koa indro vonona aho ny ho fonenanao ry Ray
Matoky aho
Fa hiorina aminao mandrakizay


Ampitoero     anatiko ao    ilay Fanahy  masinao        
Ahaizako, mba ho toa  anao tokoa
Ka tsy izaho no velona  
Fa  Kristy  velona ao anatiko ao
Ho tena  iray tokoa
zaho sy Ianao   hanomana
Ilay fianan-danitra vaovao


Ref :
Fanantenana ho ahy ianao Jesoa
Ho tena iray  fanahy iray aminao tokoa
Koa indro vonona aho ny ho fonenanao ry Ray
Matoky aho
Fa hiorina     aminao mandrakizay


Koa indro vonona aho ny ho fonenanao ry Ray
Matoky aho
Fa hiorina     aminao mandrakizay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : RHL ( Rise Hight our Lord )
Visites : 569
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : nonoh.harentsou
Date : 06/04/2020 11:54
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722