TOLORY TANANA (RHL ( Rise Hight our Lord ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TOLORY TANANA

Talaho taraina sy toreo toa tsy hahaloa-peo
Tsy manana hiatsampazana
Iza loatra re, no hiantra azy reo
Mitaraina mitalaho fa reraka (X2)

Onena loatra koa ny fo mahita ny manjo
Kanefa tsy mba manarina azy ireo
Iza loatra re , no hiantra azy ireo
Nefa izay no fanehoam-pitiavana

Atao ahoana no fitia ny Ray zay tsy hita maso
Raha tsy hitia ny namanay hanome tanana ho azy koa
Sarotra tokoa, raha tsy eo Jesoa
Hialoha lalana ao anatinay
Ampio hery ny finoana mba hiasa be kokoa
Hanasoa ny tena ka hivavaka ho an’ny hafa koa
Sarotra tokoa raha tsy eo Jesoa
Hialoha lalana ao anatinay

Ampio aho Jesoa hanao soa tokoa
Ka ianao no ao anatiko ao
Ka tsy izaho no Velona
F’ianao amiko, dia ho sambatra ny taninay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RHL ( Rise Hight our Lord )
Vangy : 479
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nonoh.harentsou
Daty : 07/04/2020 18:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.077