FAHAGAGANA (RHL ( Rise Hight our Lord ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FAHAGAGANA

Ref:
Fahagagana hatsarana
No vitan’i Jesoa rehefa nandia
An’ity tany ity
Fiovana hatsarana
No setrin’izany rehefa nadre an’ity teny ity

1.
Tadidinao ve lay boka iray rehefa niankohoka tamin’izay
Dia indro fa sitrana tamin’ny teniny anakiray
Rehefa nandalo an’I Kaperinony
Ilay kampiteny naneho ny finoany
Izany paralisisany izany hono tsy mba ho sitrana itsony
Dia gaga ny Tompo amin’ity lehilahy
Izay manam-pinoana ary koa tena sahy
Tongava aminao izay inoana
“Sitrana ilay zazalahy”
Ref.
2.
Avy eo ny rafozan’ingahy Petera
Ilay nanavinavy sy voan’ny tazo
Nanendry ny tanany tsy ankihera
Fa tsy te ho lavo
Dia sitrana tampoka toy ny tsy teo
Dia samy talanjona avy eo ry zareo
Ka nanaradia azy ra-vehivavy nanomboka teo
Ref.
3.
Fa farany tany amin’ilay Gadarena
Ireo demoniaka izay nifanena
Nivoaka ny fasana sady masiaka no mafy fitrena
Ary ny demonia naita an’i Jesoa
Nifona nibaboka mba ho aiza moa
Nalefany tany an-dranomasina niaraka tamin’ny kisoa

Be reo voalaza ny amin’ny fahagagana nataony
Fa maro no efa nanidy ny fony tsy hino azy intsony
Ho avy ny fotoana tsy hanehoany fahagagana intsony
Angamba izy tsy ho afaka hiaino intsony
Efa hihidy koa ny fony (X2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RHL ( Rise Hight our Lord )
Vangy : 478
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nonoh.harentsou
Daty : 07/04/2020 18:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3222