Vol1. MANDRAKIZAY (Ny Antsa Fitiavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Reférence :« Trano sy harena no lova avy amin’ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin’i Jehovah. »
(Ohabolana 19:14)
---------------------------------------------------------------------
1. Isaorako Ilay Nahary ahy
Tompo tia, tsy mba nanary ahy
Satria ianao, Aina soa, Silaky ny fo
Ianao niriko, tena tiako, natolony ahy
Hotiaviko mandrakizay
Fa Fanomezan’Ilay Ray
KA NA HO SAROTRA AZA NY ANDRONAY ETY
MATOKY ANAO RY RAY MPITANTANA NY DIA
SATRIA IZAY FITIAVANA MIORINA EO AMINAO
MAHARITRA MANDRAKIZAY
2. Raha ho avy indray fitsapana mahamay
Handalo koa Sedra sy fakam-panahy
Sahiko ny hanambara : Tokana ny fo
Ka tsy hozaraiko, fa iray, dia ho anao
Hotiaviko mandrakizay
Fa fanomezan’Ilay Ray
KA NA HO SAROTRA AZA NY ANDRONAY ETY
MATOKY ANAO RY RAY MPITANTANA NY DIA
SATRIA IZAY FITIAVANA MIORINA EO AMINAO
MAHARITRA MANDRAKIZAY
KA NA HO SAROTRA AZA NY ANDRONAY ETY
MATOKY ANAO RY RAY MPITANTANA NY DIA
SATRIA NY ANAY FITIAVANA NAORINA TEO AMINAO
HAHARITRA MANDRAKIZAY
MANDRAKIZAY
Tonony sy feony : RAKOTONANAHARY Haritiana
Fev 2003
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Ny Antsa FitiavanaVisites : 3329
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : malilatiana
Date : 31/03/2009 16:08