Manankarena Fitiavana (Ny Ambasadôrà)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny hasasarako ho maivana fa entinao ny entako
Ny hetaheta ho afaka Ianao no loharano soa
Manankarena fitiavana Ianao fahasoavana be
Tsy misy izay tsy anananao , Anao zao rehetr'izao

Ref:
Sambatra aho fa zanakao ,Eny malalanao
Izaho sy Ianao no hiaradia hifampitantan'ho doria
Hatrety ka hatrany an -danitra ,hiaraka mandrakizay

Ny adin - tsaina zay mandreraka , soloina fiadanam - po
Ny fahoriana zay mahasasatra , ho tonga fifaliana
Manankarena fitiavana Ianao fahasoavana be
Tsy misy izay tsy anananao , Anao zao rehetr'izao

Ref:...

Entiko eo aminao avoko, reo zava - tsarotra manjo
Mahatoky ny fitanananao, Ianao 'lay Tompo tsy mandao
Manankarena fitiavana Ianao fahasoavana be
Tsy misy izay tsy anananao , Anao zao rehetr'izao

Ref: (x2)
...mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ambasadôrà
Vangy : 372
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : onyrak
Daty : 02/02/2023 12:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0782