Masìna (Nate Tex)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TONONKIRA Masìna
Angamba tsy diso raha tia na dia tsy nifanojo ny tadin-dokanga
Hoe tsikim-pandàvana foana no sary mameno ny rindrin-tsaranga
Tianao ny feoko, ekenao ny teniko, mety hoe ny foko no olana
' tsy hifoko hitomany, avelao any 'zany, aleo isika aloha miandry diavolana
Fa na rivo-mahery aza anie no nitsoka nandifotra ny atifanahiko
Na arivo mahery aza no hoavy hoe hameno ny banga rehetra ato anatiko
Ianao tsy hiova fa manjaka tokana hitoetra mangina eny foana
Ianao no tsy tia, asakasakao iny, ny ahy efa tsy resin'ny taona
Fa afaka adidy amin'ny fatana izy..
nandroso kitay tsy nirehitra..
Mahatsiaro nitia fa mahalala tsy tiana dia aleony mipetraka..
Dia 'zay zany eh... Masìna ry 'tony ary koa mampamangy eo oh..
Fa leo tsakin'ady ny atoandro dia avy eo indray ny hariva mifanasa vangy..
Niaraha-nanoratra koa ny tantara, tsy vitan'ny tanako irery
Raha nisy tsy nety, ny teniko ariana, ny tenako aza avela ho very..
'Tsika tsy hifankahala fa soa sy ny tsara tsaroana raha sendra manembona..
Hoe fafin'ny fiainana tsisy hoatr'izany ,
Ka tsy mba ho afoiko na avela
Niarahan'I Gad Bensalem sy i Zonirina Nantenaina nanoratra. 🙏🏻🥰
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Nate TexVisites : 13
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Santatra261
Date : 09/02/2026 08:49
