Masìna (Nate Tex)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TONONKIRA

Masìna

Angamba tsy diso raha tia na dia tsy nifanojo ny tadin-dokanga
Hoe tsikim-pandàvana foana no sary mameno ny rindrin-tsaranga
Tianao ny feoko, ekenao ny teniko, mety hoe ny foko no olana
' tsy hifoko hitomany, avelao any 'zany, aleo isika aloha miandry diavolana

Fa na rivo-mahery aza anie no nitsoka nandifotra ny atifanahiko
Na arivo mahery aza no hoavy hoe hameno ny banga rehetra ato anatiko
Ianao tsy hiova  fa manjaka tokana hitoetra mangina eny foana
Ianao no tsy tia, asakasakao iny, ny ahy efa tsy resin'ny taona

Fa afaka adidy amin'ny fatana izy..
nandroso kitay tsy nirehitra..
Mahatsiaro nitia fa mahalala tsy tiana dia aleony mipetraka..  
Dia 'zay zany eh... Masìna ry 'tony ary koa mampamangy  eo oh..
Fa leo tsakin'ady ny atoandro dia avy eo indray ny hariva mifanasa vangy..

Niaraha-nanoratra koa ny tantara, tsy vitan'ny tanako irery
Raha nisy tsy nety, ny teniko ariana, ny tenako aza avela ho very..
'Tsika tsy hifankahala fa soa sy ny tsara tsaroana raha sendra manembona..
Hoe fafin'ny fiainana tsisy hoatr'izany  ,
Ka tsy mba ho afoiko na avela

Niarahan'I Gad Bensalem sy i Zonirina Nantenaina nanoratra. 🙏🏻🥰
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Nate Tex
Hits : 14
Likes : 0 Like
Created by : Santatra261
Date : 09/02/2026 08:49
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0192