You are here: home > Tononkira > Nate Tex

Tantara Mamy (feat Gaëlle Tsirininofy) (Nate Tex)

https://tononkira.serasera.org/hira/nate-tex/tantara-mamy-feat-galle-tsirininofy

Tsapanao ve fa matoa isika roa miara-dia
Misy lalana mitondra ritsoka fitia
Izaho tsy hiala e, tamàna mitantana an-dry
N’aiza aleha, ny hanàry anao aloha sanatria

Renao koa va re ity fo midobodoboka
Rehefa iny ianao manatona manoroka ahy
Mamiko anie feonao mangovitra
Manambara fa ny ankoatra anao tsy haharombaka ahy

Ho averimberiko eto androany
Satriatononkira.serasera.org Tantara Mamy ho ahy

Ny angolanao, ny masonao mijery
Mibanjina ahy irery
Tsy foiko ho zaraina,
Na dia bitika aza mamy toa tantely
Molotrao malandilandina fihiniko ho ahy irery

Ny hanitrao koa, ny feonao miteny hoe «ndriii»,
Mitazona ahy ireny, laviko hitambarana
na sombiny aza mandroatra fitia
Ilay tsiky mitsilopy mamiko sy fý erý,
Hiroso hatrany ny dia

Fa Tantara Mamy.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Nate Tex
Mpamaky : 3634
Mpakafy : 3 Ankafizo
Nampidirin'i : JoharyGata
Tamin'ny : 10/03/2019 17:42:18
ID : 11472

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo