Hafanana (Nate Tex)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HAFANANA

1 - Hafanana tsy mbola nisy hoy aho ity
Mahatamana ny rivotra hiainana ety
Fa fanampiny fotsiny ireo
Ny fanatrehanao no mameno azy eo
Efa sitrakao ,ekeko koa
Hoe fitia mandra-maty ny antsika roa
Tsisy tambiny ,tsy misy fepetra
'lay fiarahana fa aina no fetra

Fiv : Ny anilanao hafanana tsy ho lany
Minoa ahy ianao tsy ho ariako izany
Raha mbola rivotra koa no hiainana
Ny fitia ho anao hamoizako ny aiko
Ho tantaraiko ho ren'ny tany sy lanitra
Ho zaraiko ho lovan'ireo taranaka
Ny rehetra no ho vavolombelona

2 - Hoe voarara na misy koa ireo sakana
Lazaina tsy anjara ny antsika tsy hisampana
Ny hazo avo ihany anie no halan-drivotra
Ireo tora-bato efa nijoro ho fototra
Efa sitrakao ,ekeko koa
Hoe fitia mandra-maty ny antsika roa
Tsisy tambiny ,tsy misy fepetra
'lay fiarahana fa aina no fetra

Fiv : Ny anilanao hafanana tsy ho lany
Minoa ahy ianao tsy ho ariako izany
Raha mbola rivotra koa no hiainana
Ny fitia ho anao hamoizako ny aiko
Ho tantaraiko ho ren'ny tany sy lanitra
Ho zaraiko ho lovan'ireo taranaka
Ny rehetra no ho vavolombelona

Tena tiako ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nate Tex
Vangy : 276
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : NomenaJR
Daty : 20/04/2024 16:23
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116