Tsy afaka (Nate Tex)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha volana mpamitaka iny tsy omeko anao
Fa efa maro no nodifiany niala maina teo
F'ataoko fifaliana ho ahy ny tsikitsikinao
Hitoetra, hiezaka mafy aho inty fonao tsy haratra

Ho tratra, lay tanjona hoe :
" tsika eo foana, tsy ho resi'ny elanelana, tsy ho resin'ny fotoana"
Fa zao aloha sady manonofy satria valaky ny ketrika
dia hikalokalo indray hoe :

Te ho any aho fa tsy afaka eh
Ny alahelo anao aloha zao no masàka
Aza manahy fa raha solafaka aho
Tsy ho soloiko anjara fa efa feno ny fo
Dia antsoitsoy matetika fa mafy ny aty
Indrindra masoandro milentika tsy eo anilandrie
Andefaso fampaherezana @ simeso akia
Fa mitady miketrika ny hangalana ny tananao

Fa ny hàka anao koa tanjona efa elaela ihany
Mbola hasarotin'ny fisian'ny elanelan-tany
Nefa hiafiko sy hikipiako na dia te hankàny
Vitan'ny hafa ve ry tiako??? "Vitan-tsika zany"
Ho tratra 'lay tanjona hoe :
"tsika eo foana, tsy ho resin'ny elanelana, tsy ho resin'ny fotoana"
Fa zao aloha sady manonofy satria valaky ny ketrika
dia hikalokalo indray hoe :

Te ho any aho fa tsy afaka eh
Ny alahelo anao aloha zao no masàka (ao an-doha)
Aza manahy fa raha solafaka aho
Tsy ho soloiko anjara fa efa feno ny fo
Dia antsoitsoy matetika fa mafy ny aty
Indrindra masoandro milentika tsy eo anilandrie
Andefaso fampaherezana @ simeso akia
Fa mitady miketrika ny hangalana ny tananao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nate Tex
Vangy : 24782
Mpankafy : 8 Ankafizo
Nampiditra : TaxNat
Daty : 07/12/2017 15:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753