Tamy (Nate Tex)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa na orana mikija (kija)
Na ho avy koa ny kombaka sy gidra (gidra)
Tsy maintsy tongako hoa ‘lay any
Tsinjoko ilay hafaliana sesilany, tamy
Malama maina anie ny tany
Fa ilay fanantenako tsy ho lany
Ho fikiriko ny toky sy ireo teny
Dia indro indray averiko ombieny (eny)
Anaraka anao oh, tsy hiala tsy andao oh
Ho fikiriko ny toky sy ireo teny dia anarakanao ‘zaho oh
Anarakanao aho e ! Anarakanao oh
Ho fikiriko ny toky sy ireo teny dia anarakanao anie aho

Tsy moramora anie,
Fiainana efa lanja miakatra io ry ce !
Itovizana amin’ny ratsy no fadio dia
‘zay simba afaka amboarina dinio e !
‘reo mpanakora aza
Avela anembana ny lalanao
Ny soa sy tsara foana no katsao
Dia fitiavana no andeha zarazarao

Fa na orana mikija (kija)
Na ho avy koa ny kombaka sy gidra (gidra)
Tsy maintsy tongako hoa ‘lay any
Tsinjoko ilay hafaliana sesilany, tamy
Malama maina anie ny tany
Fa ilay fanantenako tsy ho lany
Ho fikiriko ny toky sy ireo teny
Dia indro indray averiko ombieny (eny)
Anaraka anao oh, tsy hiala tsy andao oh
Ho fikiriko ny toky sy ireo teny dia anarakanao ‘zaho oh
Anarakanao aho e ! Anarakanao oh
Ho fikiriko ny toky sy ireo teny dia anarakanao anie aho

Aoka tsy andao anao
Ny famindram-po sy ny fahamarinana
F’izany no ho tonga fanambinana
Amin’izay rehetra ataonao
Dia andeha atao fanao
Mikolo saina vatana fanahy
Izay no mahatonganao ho sahy sahy
Azoto tena hiasa amin’ny fo

Fa na orana mikija (kija)
Na ho avy koa ny kombaka sy gidra (gidra)
Tsy maintsy tongako hoa ‘lay any
Tsinjoko ilay hafaliana sesilany, tamy
Malama maina anie ny tany
Fa ilay fanantenako tsy ho lany
Ho fikiriko ny toky sy ireo teny
Dia indro indray averiko ombieny (eny)
Anaraka anao oh, tsy hiala tsy andao oh
Ho fikiriko ny toky sy ireo teny dia anarakanao ‘zaho oh
Anarakanao aho e ! Anarakanao oh
Ho fikiriko ny toky sy ireo teny dia anarakanao anie aho

Anaraka anao oh, tsy hiala tsy andao oh
Ho fikiriko ny toky sy ireo teny dia anarakanao ‘zaho oh
Anarakanao aho e ! Anarakanao oh
Ho fikiriko ny toky sy ireo teny dia anarakanao anie aho
Dia anarakanao anie aho
(Anarakanao anie aho) x2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nate Tex
Vangy : 397
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : 0345021202
Daty : 14/02/2024 07:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0706