You are here: home > Tononkira > Nate Tex

Fo Feno (Nate Tex)

https://tononkira.serasera.org/hira/nate-tex/fo-feno-1

Tsy ho irery intsony aho
Fa mandre ny fonao midoboka, mitempo fitia..
Toy ny manonofy aho
Hoe ianao nanaiky ahy
Ho sila-panahy Ho mandrakizay..
Ka ny toky omeko
Ianao no ekeko
Ho Hasambarako
Porofoiko eto izao fa ianao Tokako Hatrizay ..
Voady efa nekena ny hoe izaho ho anao Ianao ho ahy.
Tsy haiko ho tantaraina nefa mino aho fa tsapanao
Ny hafenon'ny foko anilanao
Manainga Fanahy
Manome Aina ho ahy ny eo Anilanao
Ny tsikinao 'nie
Taratra hazTsiky dia ampyavana
Nitondra ahy nitàna filàna anao
Faniriana anao
Ka ny foko afoiko
Ianao tsy foiko
Hasambarako
Porofoiko eto izao fa ianao Tokako Hatrizay ..
Voady efa nekena ny hoe izaho ho anao Ianao ho ahy.
Tsy haiko ho tantaraina nefa mino aho fa tsapanao
Ny hafenon'ny foko anilanao
Porofoiko eto izao fa ianao Tokako Hatrizay ..
Voady efa nekena ny hoe izaho ho anao Ianao ho ahy.
Tsy haiko ho tantaraina nefa mino aho fa tsapanao
Ny hafenon'ny foko anilanao
Ny hafenon'ny foko

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Nate Tex
Mpamaky : 7597
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : Tiahary_rastefano
Tamin'ny : 25/03/2018 12:35:57
ID : 10509

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo