Soa ihany (Mireille)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Feno ditra, Tompo, ny fiainako taloha
Nilomanosako avokoa ireo zava-mora lò
Nisarika ahy, nambabo ahy
Ny herin’ny fakam-panahy
Ankehitriny soa ihany voaova aho

Efa be dia be ny diso tamin’ny  làlako
Niniako ireny satria irery an-tany tsisy mpiteny
Tsisy mpanoro, hanorotoro ny tokony hatao
Ankehitriny soa ihany voaovanao

Soa ihany fa teo Ianao
Soa ihany fa nisy Anao
Soa ihany fa avotrao aho
Soa

Fitiavantena, fitaka, fiheremana
Fitokian-tsampy, avonavona, fialonana
Toetra manoto ny manodidina
Toetra tia mamono olona
Ankehitriny ssoa ihany voaovanao.

Soa ihany fa teo Ianao
Soa ihany fa nisy Anao
Soa ihany fa avotrao aho
Soa

Misaotra Tompo, soa ihany fa nijery Ianao
Ny indrafonao soa ihany fa natobakao
Mazava izao ny làlako ao
Mahatoky, tsy mampanahy
Satria Ianao
Soa ihany hitantana ahy

Soa ihany fa teo Ianao
Soa ihany fa nisy Anao
Soa ihany fa avotrao aho
Soa
--------
Lien:
Commentaires
dina4 ( 28/11/2016 09:09)
Oay e! tena mbola ato daholo ireto an???? tena manembona aho zany marina eeeee. Mankasitraka o
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mireille
Visites : 8436
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 29/03/2015 16:10
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014