You are here: home > Tononkira > Mireille

Indray hariva izay (Mireille)

Indray hariva izay
Sento sisa nenti-nody
Nialoha lalàna ahy
Hamonjy ny fodiana
Eny(2) mamy raha hitohy
Iriko tsy hifankafohy ô!
Izay alehanao, alehako avokoa ry lahy
Raha lavitra ahy ianao
Izato dia tsy veriko irery ô!
Azo foana an’eritreritra
Ireo ora niarahana
Nitamberina ao an-tsaiko
Ireo(2) teny nisarahana

Tsy tafandry ny alin’iny
Nitantononkira.serasera.orgisanisa ireo fahiny
Na andro nifaliana
Na ady nifandirana
Toa tahirim-bolamena
Moa ho vasoka rahoviana
No nandraisako ny Herim-pitiavana
Ankehitriny moa
Indro izaho irery no hanarina
Ka hanohy ity tantara
Hiandrandra izay mahasoa
Ny fahatsiarovana anao anie
Hody hery hampionona ahy indray

Indray hariva izay
Sento sisa nenti-nody
Nialoha lalàna ahy nilaozan’olon-tiana

Hevitra mandeha

dina4 (28/11/2016 08:12:21)

eeeee! indrisy mantsy e!!!! tena zay tokoa manko an! hi!3

Tohiny Hametraka hevitra

Mpihira : Mireille
Mpamaky : 15322
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 13/12/2002 15:10:04
ID : 1315