Fanoloran-tena (Mireille)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandalo ny fahazazana teny aho ;
Nandalo ny hatanorana teny aho;
Nankamamy ity fiainana aho,
Nifaly sy nilalao;
Ny anaranao ry Raiko, no tsy mba fiantsoko;
Anio ihany aho dia hanandrana ny hiaraka aminao.

Vizana aho niandrandra vintana ?
Vizana aho nitady izany harena ?.
Vizana aho niandrandra famonjena?;
Fa zava-poana ihany, ny herim-poko lany;
tsy azo izay iriana, sao manantena fifaliana.

Hianao no faniriako, inty aho;
Hianao no fifaliako, inty aho;
Hianao no fanovozana ny soa;
Fitiavan-droa, tsy manam-paharoa;
Sambatra izay mahita ilay fitia tsy mety ritra;
Arovinao ny dia ho ao aminao mandrakizay.
--------
Rohy:
Hevitra
dina4 ( 28/11/2016 09:07)
eeee! mankasitraka é! tena hira nitaiza ahy ity hira ty an !!! TIKO BE. Zah Maka MIreille Fona ééé
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mireille
Vangy : 13279
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : memerz
Daty : 09/01/2007 22:31
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3232