Aviliko làlana (MIckael)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ho tsiniko angamba ao ariana
Fa ny androany aloha dia fanahiniako, tsy hanazava
Hametra vava aho ka hangina
Fa ny marina rehetra anie ka tsy filàza
Tia azy ianao, nanaja nikolo
Natoky amin’ny fonao manontolo
Tokam-po toa siny, madio tsisy tsiny
Nafoinao ho azy ny tontolo
2-Ho aviliko làlana ianao
Fa tsy foiko imasoko eto ianao no hitomany
Tsy mendrika anao ny hitalaho
Hiatri-maso fitaka be sy lainga mavàny
Ilay hany safidy, mba hoe sarobidy
Ny manitsaka sy manambany
Ny fo nanantena, no niniany hosena
Sy marefarefany amin’ny tany
Ref: Tsy tsikombakomba, hanampy trotrak’izao -sanatria, sanatria
Fa kosa fomba entiko hanampiana anao -fa mba namanao ity
Raha ‘zay lainga miaro fitaka tsarovy -fa mbola hanody e!
Ny marina tsy maty, f’izay nafafy
No mbola ho jinjainy atsy ho atsy
3-Fa ny fotoana no hametra
Mbola hibaribary aminao ny zava-drehetra
Raha ny hita maso dia tsapa
Azy ny adisoana, f’ianao no ho afa-baraka
Ny fo sendaotra, imasom-bahoaka
Tsy àry ho voafehy hitony mora
Tsy maintsy hisafoaka, mety hanova voatra
Hipik’helik’eo ‘reo mpanakora….
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : MIckael
Visites : 1314
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tahiana.dafy2015
Date : 22/07/2017 17:17
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.083