Aretina ilaina (Kafa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny antsoantsonao izay nitsahatra
Angamba tsy hanova ny anarako
Satriko aza mianavaratra
F'any koa ny iriko ho anjarako
Ny fanafoananao ny sangy
Angamba tsy hahaolo kianja
Fa mampamaro ny mpamangy
Satry foana hifalihavanja

Taloha aho , no tsy nahay nandinika izay voalazanao
Nanafina ny kitra mpahazo ahy
Kanefa dia aretina ilaina ny ahy
Taloha aho , no tsy nahay nandinika izay voalazanao
Nanafina ny kitra mpahazo ahy
Kanefa dia aretina ilaina ny ahy


Ny tafasiry izay nimoana
Tsy mampihetry fahalalàna
Safidinao k'atao ahoana?
Ndeha miriotra rehefa tsy tana
Ny toromarika efa vita
Tsy voatery iainanao
Tsy mifanery intsony isika
Fa tanteraho izay tena revinao

Taloha aho , no tsy nahay nandinika izay voalazanao
Nanafina ny kitra mpahazo ahy
Kanefa dia aretina ilaina ny ahy
Taloha aho , no tsy nahay nandinika izay voalazanao
Nanafina ny kitra mpahazo ahy
Kanefa dia aretina ilaina ny ahy

Ny zava-nisy tsy nampino
Inoako fa tsy handratra saina
Tsotra koa ny manadino
Raha toa ka mety ilaina
Ny madilana ho tentenina
Tsy manova endri-javatra
Fa mampalady ireo marenina
Mampamanga ny habakabaka

Taloha aho , no tsy nahay nandinika izay voalazanao
Nanafina ny kitra mpahazo ahy
Kanefa dia aretina ilaina ny ahy
Taloha aho , no tsy nahay nandinika izay voalazanao
Nanafina ny kitra mpahazo ahy
Kanefa dia aretina ilaina ny ahy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Kafa
Visites : 60
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : dahfara
Date : 11/10/2024 15:41
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214