Lokon-danitra (Hantatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
    ✍️MiariNekena

Maizina be ilay lokon'ny lanitra
Mavesa-drahona fa fahavaratra
Jereo ny lokon'iry tanimbary iry
Tarafin'io masoandro milentika io

Mahereza ianao hatrakao ny loha
Dia banjino ny hatsaran'ilay Ray Tsitoha
Ao anatin'ny mafy no hasehony anao
Ny halebeny, voninahiny
×2

Nandao anao va ilay havan-tiana?
Sa very maina aza ny hezaka efa natao?
Henjehina noho ny marina va ianao?
Ka mampanjombona ny lokon-danitra

Mahereza ianao hatrakao ny loha
Dia banjino ny hatsaran'ilay Ray Tsitoha
Ao anatin'ny mafy no hasehony anao
Ny halebeny, voninahiny
×2

Oouuh...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Hantatiana
Visites : 10
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : MaNekena
Date : 20/03/2026 09:18
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0356