VAHINY (Groupe AGAPE Mahajanga)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vahiny ee ! Isika ety aa ! (2x)Ka sao varim-bariana agnao am’zao tany izao ah…
Ny Baiboly no efa nilaza hoe:
Fa mandalo izao fiainan’izao
Fa vetivety ihany egnao no eto
Ho foana ny tomàny sy ny sento
Koa aza variana agnao, tapao ny hevitrao e!
Koa mibebaha agnao, ialao ny otanao e!
Koa eritrereto tsara izay atao, eeeh!
Sao mba hanenenanao ah..!
Koa tapaho tsara izay hevitrao eeeh!
Sao tara loatra ka tsy voaray agnao ah..!
(Jijy)
Henoy tsara ilazako azy(3x)
Ny hatsaran-tarehy sy ny bika ve!
Mety mampirehareha agnao.
Ny fahaizana ary koa ny vola be!
Mety mampieboebo agnao.
F’ambarako tsara aminao anefa
f’ireo rehetra ireo dia manampetra
Katsaho ny fiainana mandrakizay
nomanin’I Jesosy eo anilan’ny Ray
Sa ahoana lehiretsyaa… (Marign’izany ee!)
T&F: Bernard Richard
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Groupe AGAPE MahajangaVisites : 1020
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : mamybernard
Date : 18/10/2018 10:29