ANDAO HIHIRA (Groupe AGAPE Mahajanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
-Groupe AGAPE
-Andao hihira

1. Andao hihira, andao hihoby
Hidera ilay mpanao izao tontolo izao
Venteso mafy hanakoako
Fa Azy irery anie ny voninahitra

REF:
Fa mendrik’Azy ny hoderaina
Mpanjakan ‘ny mpanjaka no ankalazaina
Ka ny aleloia sy ny hosanna
No hasandratray manakatra ny lanitra

2. Tsofy ny sodina sy ny farara
Ampiaraho tsara amin’ny gitara
Ao koa ny amponga sy ny valiha
No atolory ho an’Ilay Mpanjaka tia

T&F: BERNARD Richard
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe AGAPE Mahajanga
Vangy : 611
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mamybernard
Daty : 28/10/2018 12:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076