NA MAFY AZA NY ALONDRANO (FIFOHAZANA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Na mafy aza ny alondranoIzay mamely ahy ety
Herim-panantenako
Hitsena anao aho Jeso
2- Na ny anio na ny ampitso
No hiavianao Jeso
Faly aho fa efa niomana
Hitsena anao aho Jesoa
3- Rehefa mby akaiky ilay fotoana
Izay nihavianao Jeso
Faly aho fa efa niomana
Hitsena anao aho Jeso
4. Na izaho na ianao
Izay miaina ety
Eny ny fanantenako
Hitsena anao aho
5 Ity tany ity fandalovana
Izay iainako ety
Faly ao fa efa niomana
Hitsena anao aho Jeso
6. Masina – Masina – Masina
Jehovah Tompon’ny maro
Heniky ny voninahiny
Ny tany aman-danitra
Fiv. Na mihorohoro aza ny kotroka
Na mifanesy aza ny tselatra
Herim-panantenako
Hitsena anao aho Jeso
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : FIFOHAZANAVisites : 1413
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : rado6185
Date : 02/01/2015 18:01