Tsisy mahasaraka (feon'anjomara mahajanga)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô! Ianao niaritra ny mafy Teo amin'ny hazo fijaliana
Namoy ny ainao ho famonjena ahy,
Resinao ny fahafatesana
Tompo ô! Ampio haharitra Aminao
Mba ho mendrika ny atao hoe zanakao
Malemy aho raha tsy misy Anao,
Mpandresy aho raha eo Anilanao
Refrain:
Inona no hahasarak’ahy Aminao
Izao tontolo izao ve? Sa fanenjehana?
Ô iza no hahasakan’ahy ho Anao?
Ireo manodidina ahy sa ireo namako
Tsy kivy aho, tsy resy ihany koa
Na dia maro ireo fandrim-pandrika
Mahery aho manana Anao
Mpiaro ahy amin'ny fahavalo
Resy lahatra aho fa Ianao ilay Fitiavana
Vonona aho Jeso ny hanara-dia Anao
Tsy hisy hahasakan’ahy, eny tsy hisy hahasarak’ahy
Amin'ny Fitiavanao mandrakizay
Refrain 2x
Tsy hisy hahasakan’ahy, eny tsy hisy hahasarak’ahy
Amin'ny Fitiavanao mandrakizay
TSISY MAHASARAKA
Feon'Anjomara Mahajanga
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : feon'anjomara mahajangaVisites : 44
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : EliseeR
Date : 27/11/2025 06:49
