RESINAO NY FASANA (Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
RESINAO NY FASANA  -  FEO MAHAFALY NY ZIONA

(Chœur)
OU OU OU OU OU OU OU OU OU
OU OU OU OU OU OU OU OU OU
(Solo L)
Nolavina sy natao tsinontsinona
Lehilahy ory zatra fahoriana
Nitondra ny aretiko tokoa Ianao
Nivesatra ny fahoriako

(Solo V)
Fampahoriana sy fitsaràna
No nentina nanaisotra Anao
Voalefon’Ianao noho fadisoako
Sy notorontoroina noho ny heloko
Hany ka :

(REF : Chœur)
Maty Ianao nahantona teo
Amin’ny hazo fijaliana
Nefa nitsangana tokoa
Resinao teo ny fasana

(Solo V)
Koa tsaroako sy haveriko anio
F’Ianao Jeso no maty mba ho avotro
Nitsangan’Ianao ho fanantenàko
Ny amin’ny andro hiavianao indray

(SoloL+V)
Ny rànao Tompo oh ; tsy voavidy sy soa
Nomenao hanongorana (ny otako)
Ka afaka aho tamin’ny ozona
Natsanganao ho zanaky ny Ray
Soa ihany fa :
(REF : Chœur)
**************FMZ**************
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ)
Visites : 571
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mamybernard
Date : 05/08/2020 13:32
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746