Ianao no Hasambarako (Farakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hitako ao aminao ny fahasambarako
Tsinjoko tokoa izao fa tsisy toa anao
Tiako ny eo akaikinao ho toerana hisy ahy
Ary koa hiainako rahatrizay.

Hitako ao aminao izay tadiaviko,
Tsy hitady hafa aho f'ianao no tiaviko.
Raha sitrakao ihany koa ny ho eo anilako
Dia ho faly, ho faly ny foko tia anao

Eto aminao ny hasambarako
Eto aminao ny fiainako
N'aiza n'aiza toerana misy ahy
Lazaiko ny marina
Fa na oviana na oviana na oviana
No tianao hasehoko anao
Holazaiko hohiraiko isanandro
Fa feno aho eo aminao, fitiavako!

Hitako ao aminao ny fahasambarako
Tsinjoko tokoa izao fa tsisy toa anao
Tiako ny eo akaikinao ho toerana hisy ahy
Ary koa hiainako rahatrizay.

Eto aminao ny hasambarako
Eto aminao ny fiainako.
N'aiza n'aiza toerana misy ahy
Lazaiko ny marina
Fa na oviana na oviana na oviana
No tianao hasehoko anao
Holazaiko hohiraiko isanandro
Fa feno aho eo aminao!

Eto aminao ny hasambarako
Eto aminao ny fiainako
N'aiza n'aiza toerana misy ahy
Lazaiko ny marina
Fa na oviana na oviana na oviana
No tianao hasehoko anao
Holazaiko hohiraiko isanandro
Fa feno aho eo aminao, fitiavako!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Farakely
Visites : 264
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : dd
Date : 31/05/2024 23:30
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135