Invictus (Doublenn)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anà ny tontolon’ny ambany tany atsoy a hoe Hadès
De n’rapiko olympika avokako avy any amin’ny tartare
De rah atao paradisa ny rima tsy diso adresy
Fa vonoko ny menarana aka fanah’ ambony tastara
Atsoy in-telo a fa ipoitra eo amin’ny fitaratra, style bluddy Marry
Miantso inspi a’ hoatran’ny miantso varatra
De atsoy a hoe Zeus ao amin’ny tontolon’ny MC
Fohaziko ny litera hoatran’ny leviathan
Andraisako standing ovation sy raozy
De anà ny tontolon’ny lanitra atsoy a hoe Metatron
Tsy miala ao am’kil n’rapko hotran’ny devl’ an’I Emily Rose
Manjejin’à hotran’ny hazavana entin’ny losifera
Mamiratr’à hotran’ny sabatra eny atanan’Anjely Misely
Iny lalana iny nahazoako saotra sy dera
Nazahoako charisme mlay noho nen’olona ataon’là modely
And 2:
Ts’tafala am pokna ny rapko misy fanainga lavitra
N’rap’ko Rallye miracle hoan’zay te ho avotra
N’rap’ko manam-bitana hotran’hoe miompy kalanoro
N’rap’ko finoana vs surnaturel anaty telozoro
N’rap’ko lolo vokatra eny amin’ny zombie land
N’rap’ko razana mitahy eny am’ tany fady
N’rap’ko anjely eny am’tampon’Ambondrombe
N’rap’ko maka fanah eny amin’ny sapanan’ny arabe
Ny fahefan’Andriamanitra efa napetrany ao am’raolombel
Satri’ ny fiainana biby de aleo za liona
Dieny mbola tsy hitako ny hazavana eny am’faran’ny tunel
Tsy aleo alain’zao tontolo izao de samy ikôzy hoe io ana’
Soratako ny rap hotran’ny hoe taratasy ho an’ny dadabe noely
Satri aty isan’andro fetin’ny krismasy
Avia ry mino a’ fa omeko ryx style evanjely
Ataovy fatsiarovan’à ny fandresen’ny pen’ sy taratasy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Doublenn
Vangy : 374
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tjnoelson
Daty : 19/03/2023 06:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729