Misambotra nofy (feat Dokotera valy, Tatiana, Toonie) (Doublenn)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aleo hisafidy ny hasambarana aho eo anatrehan’ny toreo
Hisafidy ny hanavotra aho fa tsy hiteny hoe “vonjeo”
Eo anatrehan’ny tabataba, aleo aho tsy hamoaka feo
Hisafidy tsipi-piainana izay milay indrindra amin’ireo
Tsy misoritra eny amin’ny fela-tanana … nama
Hisafidy ny hazavana aho eo anatrehan’ny tsy fahalalana
Hisafidy fahendrena eo anatrehan’ny hadalana
Ary ampiako hery sy hatsarana, dia ny hatsiaka ovaina hafanana

Foa foa, magie, safidy tsotra ny ahy sy ny inspi
Hitondra fiadanana sy fahafahana ho an’izay mankafý
Dia hisafidy ny hiaina ny androany dieny mbola tsy gli
Hisafidy ny handroso foana tsy voasakan’ny tsy m’ka, tsy mi’pi
Hisafidy ny hitsiky foana satria afa-manoatra
Dia hitady foana an’ilay fahamarinana any ankoatra
Ary satria mbola miverina eto an-tany dia aleo aloha mivoatra
Dia azo na dia tsy tadiavina aza, dia misaotra

Inty aho ry nofy malalako
Hanidina eny amin’ny tontoloko
Hamakivaky ny habakabako
Aminy no ihariako ny hasambarako

Jereko mitsongoloka tsara ny fiainana amin’izay miverina amin’ny laoniny
Dia ho tò ny nofiko efa nokajiako max hatramin’ny fahakeliny
Tsarao aho hoe schizophrène hatramin’ny farany
Fa raha ny adala no mody hendry, tena tsy fahendrena no miainga any
Mangetaheta tsy ho lalovan’ny rano fotsiny ohatran’ny hoe tatatra
Maniry ny ho dobo aho, iandronan’ny renirano midadasika
Te ho tany kanaanan’ny fiadananana aho, tondrahan-tantely malefaka
Nefa tsy te hoe fakan’ilay zana-kazo voageja anaty fahefa-metatra
Tsarao aho hoe mitapy raha ny betroko no te hisondrotra
Raha ny fitiavako te hisondrotra no hikôzina ahy hoe manonofy
Nofinofy no nahitako ny life mandrakizaiko ohatra
Irariana ho zarika bonera, dieny mbola poinsa ny vins-n’ny Maromby
Dia hiteny aho hoe anelanelan’ny torimaso sy ny faharendremako
Na tsy hanaiky aza ny tapi-pahaizana dia eo no misy ny fahendreko
Te hikozy aho raha azoko atao, eny e, na tsy azoko atao
Hoe nofiso ny ho avy manomboka afaka iray segondra dia ao

Inty aho ry nofy malalako
Hanidina eny amin’ny tontoloko
Hamakivaky ny habakabako
Aminy no ihariako ny hasambarako

Ary hilatsaka eo amin’ny lanitra amin’izay ny paoma
Dia andao hanidina ohatran’ny voromahery
Satria tsy mandaitra amin’ny fanahy ny herin’ny fotoana
Indro fa voasoratra indray ity ny toro-làlana ho an’izay very
Dia ity ny kajy an-kandrina avy any anaty kozy kantika
Ahena ny fizarazarana mba hampitomboana ny fifanampiana
Valiny : nofintsika manga sy fanilo majika
Hokosokosehana dia izay mitranga rehetra fitahiana
Tsy hiady amin’izao tontolo izao aho fa aleo izy hanatona ahy
Atao kanety izay lalaovin’ny kintana
Ary satria eo ianao dia miainga ny fanahy
Dia raha tanteraka ny nofy, tsy misy idiran’ny lahatra sy vintana
--------
Rohy:
Hevitra
Tsylha ( 04/12/2022 17:51)
Mitondra fahasambarana ho an'ny fanahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Doublenn
Vangy : 1731
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 06/08/2020 11:31
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121