Boky ngenjy (Doublenn)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oh lety eh...
Ny fiainana ohatran'ny boky ngenjy
Isan'andro aho mamadika pejy dia manoratra
Miala amin'izay mety ho diso tsipelina
Dia misaotra an'ilay nidrafitra ny univers fa mbola velona
Teny fanolorana, misia ny mazava
Dia nisy double'nn anaty farango sosona
Mitsangana eto amin'ny Mik dia misokatra ny vava
Mamoaka kozy mampiaiky an'lah avy anaty takosona
Midina an-dalana, misokatra ny chapitre
Tsy vako-drazana ny piti-drorako eto amin'ny filtre
Fa te hiikozy aho hoe mila ahy ve ny tany "baraingo" ?
Dia nana-rap aho "faingo",
Bogota "faingo",

Nanao sarina telozoro aho fa manana equerre
Faribolan'ny rahalahiko manodidina trace'ko amin'ny compas
Dia lasa tsipi-panohizana ny tany sy ny univers
Nefa misy ny peur'ahy nefa fiainana tsy combat "teboka".

Eh boky ngenjy
Boky volamena
Foko homena anao
Nosoratako ho anao

Eh boky ngenjy
Boky volamena
Foiko homena anao
Nosoratako ho anao, baby

Ny takelaka androany lahateny fanandratana
Fitiavan'lah izay nataoko anaty fandroatana
Tsy izany fa mba nomeny fitia avaram-patana
Anaty fonon-teny hoe "ilay fiaraha-mitatana"
Soratako ho saribo iray tsy hahavita afo
Ento aty fa ovaiko paradisa ny an'lah ny "elo"
Pejy ngenjy enina asiko rima manao toto-afo
Ho tonga hazavana eto amin'ny tontolo
Teboka telo
Ny andininy farany hanaovako piha-maso
Ho an'izay nampilay ny fiainako hatramin'izay ka hatramin'izao
Ho an'ireo izay tsin nohon'ny fitiavana ahy dia nandatsaka ranomaso
Hifonako ,amin'ny fiainana manaraka manao plan vaovao
Atsinana , andrefana , atsimo avaram-pianarana
Fandraisako anjara amin'ny fiainan'lah tsy fananarana
Mitady trondro ialahy omeko fintana raha tsy manana,
Hijonoan'lah mpanana fahasambarana
Teboka famaranana

Eh boky ngenjy
Boky volamena
Foiko homena anao
Nosoratako ho anao

Eh boky ngenjy
Boky volamena....
Tena foiko homena.....yeahhh...ohhhhhhh

Eh boky ngenjy
Boky volamena
Foiko homena anao
Nosoratako ho anao

Okay Marvin


DOUBLE'NN Featuring BALITA MARVIN
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Doublenn
Vangy : 7217
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : Andy Jao
Daty : 08/09/2015 13:14
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1545