AZA AVELA (DIDY Alfa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
AZA AVELA  

Fa ianao Jeso Fitiavana
No efa manome ahy fiainana
Toa anaty aizim-pito ny fiainako
Nefa notoloronao fanala aho
Misaotra anao
Ray ô nanaiky hisahirana
Hamonjy ny fanahin’ity tsy mendrika      

Fa ianao Jeso nampihavana      
Anay tamin’ny rà masinao      
Izay nalatsakao ho avaotray rehetra izao      
Fisoloana tsy misy tambiny      
Misaotra anao
Ray ô manaiky hisolo ahy    
Hamonjy ny fanahin’ity tsy mendrika              

Aza avela aho Ray ô            
Aza avela aho Ray ô            
Fa tantano indray ny làlaka            
Aza afoy aho ray ô, ô tsilovy aho Ray ô            
Mba tsy ho solafaka toy ny teo aloha            

Fa zanakao aho            
Fa Ianao Jaso Fitiavana tokoa.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : DIDY Alfa
Visites : 2421
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Sambilo
Date : 01/06/2004 04:42
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1683