izaho mbola tsy miova (DIDY Alfa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiv: f'izaho mbola tsy miova, fa mbola tia anao foana e
Na be aza ireo manenjika ahy noho ianao, izaho mbola tia
Ny foko manontoli, hafoiko anao daholo tsy misy tambiny
Satria navotanao maimaimpoana 'zaho mbola tia.

1.Na fefifefena aza aho mbola tia,
Tsy miova ny foko sy ny fitiavako
Fa ho anao irery hatramin'izao sy ho mandrakizay
Na mafy sy mafaitra aza ny manjo,
Tsy kivy tsy ketraka aho amana anao
Fiarovako, fitiavako, fiainako mandrakizay

2.Ny fiainanay Gasy Tompo ô, marary
Mijaly, mosary, mpihatsaravelatsihy
Manao tsindrio fa lavo, tia tena ary miaona am-po
Mivava-poana ny ankamaroanay
Ka faly mitsikera ny fiainan'ny hafa
Fa ny vavako hasandratro hitoriako ho an'izay Gasy zay.
--------
Rohy:
Hevitra
gotsokely ( 21/10/2015 16:21)
tiako be io hira io dia mba nozaraiko.
kolysoava ( 08/12/2016 18:00)
tena marina loatra ity tonokira ity manentana antsika mba hiara mientana fa efa tena lo daholo ny toetsaina hatramin'ny mpitondra ka hatramin'ny madinika indrindra mila ilay mpahary isika hanavotra antsika
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : DIDY Alfa
Vangy : 7411
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : gotsokely
Daty : 21/10/2015 16:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744