Tano aho Jesoa (CMJ)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
A/Efa tena resy aho,no natsanganao Toa tsy tazako akory ireo
Nilaza fa tena namako akaiky
Efa lasan-ko babo aho ,no indro ny sandrinao
Nanambitamby ahy hoe zanako ianao
Raiso ny tanako f'Izaho homba anao
Ka nanomboka teo ny fiainako manontolo
Dia natolotro Anao
Foana teo rehefa endrika famoizampo
Manana anjara aho manana Anao
Réf :
Mino sy matoky aho manomboka androany
Izay toerana misy ahy hisy Anao Andriamanitra
Manome hery
Manolontsaina raha mitady ho kivy aho
Jesosy malala o ,tsisy an'izaniza
Tsisy n'inoninona azoko antenaina
Raiso ny tanako aza avositra intsony
Ianao mahalala ny toe-poko azony
Rakofy ny Fanahinao aza avela hierikerika intsony
B/Mamy loatra ny Anilanao,na eo ny adim-panahy
Ireo zava-drehetra iainako
Zava-misy manjary Fahasoavana
Satry foana hankalaza Anao , hiantso ny Anaranao
Ireo lasako tsy tiako sainina intsony
Ianao Jesoa no tiako asandratra ambony
Feno loatra ny fon'ity mpanomponao
Indraindray toa latsa-dranomaso
Na dia nisy fahotako ,Ianao tsy nandao
Fitiavana ahy ny nasetrinao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : CMJVisites : 22
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Tolotriniavo11
Date : 23/02/2026 21:00
