Mino Anao aho (Chorale Sedera Ambalavato)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mibanjina ny hakanton'
ireo voary namboarinao aho
Tsapako fa tsara tokoa
Eny tsy manampaharoa
Voalaminao mba hifameno avokoa
Hiaramonina, hifanasoa sy hifanampy

Tsara Ianao sady mpanao ny tsara koa
Izao rehetra izao dia maneho ny voninahitrao
Mahatalanjona kanto ny asantananao
'Zany rehetra izany dia
Manamafy orina ny finoako Anao

Raha mandinika ny fitiavanao
anay aho Jesô malala ô
Fitiavan-dehibe tokoa
Miantoka ny mandrakizainay
Nomenao koa ilay Fanahy Masinao
Hanamasina, eny hitarika ny dia

Tsara Ianao sady mpanao ny tsara koa
Izao rehetra izao dia maneho ny voninahitrao
Mahatalanjona kanto ny asantananao
'Zany rehetra izany dia
Manamafy orina ny finoako Anao

Mino Anao aho Andriamanitra Ray
Mino Anao aho Jesô Zanaka
Mino Anao aho Fanahy Ma a sina
Mino Anao aho ry Telo izay Iray
Mino Anao aho ry Telo izay Iray

A/C: Mino Rakotomiandrisoa
(c) Chorale Sedera Ambalavato
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Chorale Sedera Ambalavato
Visites : 16
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : SederaAmbalavato
Date : 18/05/2026 11:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0307