Inona kosa (Chorale Sedera Ambalavato)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tonga teto an-tany, mba ho ahy sy anaoNahafoy ny ainy, hanavotana anao
Inona kosa no havalinao zany
Fitiavana natolony anao
Fiainana mandalo ihany eto an-tany
Ô ô ô ô ry lahy e, mbola hifandao
Ô ô ô ô re roy e, mifankatiava ihany
Raha ny fiainana eto dia mivadibadika
Ao ny fifaliana, ao koa ny fahoriana
Kodiarana, tsy hifarana ny fiainana eto
Koa andeha re hifankatia
2- Nanetry tena, tsy mba noterena
Fa nanolo-tena hitondra famonjena
Inona kosa no havalinao zany
Fitiavana natolony anao
Fiainana mandalo ihany eto an-tany
Ô ô ô ô ry lahy e, mbola hifandao
Ô ô ô ô re roy e, mifankatiava ihany
Na izao, ianao mbola tiany hovonjena
Fa mitaky kosa fanoloran-tena
Koa moa ve, ianao re
Vonona mba ho azy koa
Fa ho faly handray anao
Anie Jesosy
A/C: Vahatra R;
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Chorale Sedera AmbalavatoVisites : 120
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : todinirinaelie
Date : 03/09/2025 09:54
