Renao ve? (Chorale Akompiderana Anatihazo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Renao ve ny feo miantso Andriamanitra ô
Izay mangata-pamelana aminao
Ny hadisoana izay nataoko avelao
Fa ianao 'lay Tompo be fitia

Ref: Hamafisonao hatrany re
Ny finoako izay mareforefo
Fa mambabo ahy ny fakam-panahy
Mila tsy ho resy ny herin'ilay ratsy
Oh Oh Oh
Andriamanitra ô ampio
Fa ianao no vonjiko

2-Fa ianao no herinay Andriamanitr ô
Ianao no andry hianteheranay
Ny fiainanao ihany no fiainako
Ka ny lalanao no lalako

3-Arotsahy aminay Andriamanitra ô
Ny Fanahy Masinao mpanazava
Ka hitantana anay ny tananao
Amin'ny andronay rehetra
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Chorale Akompiderana Anatihazo
Visites : 1113
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : franckyrkt
Date : 21/10/2016 13:57
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734