'Lay taranak'i Jakoba (Chorale Akompiderana Anatihazo)
https://tononkira.serasera.org/hira/chorale-akompiderana-anatihazo/lay-taranaki-jakoba-1
1- Lay taranak'i JakobaSampan-drantsan'i Jese
Tsotra fiaina sy toetra
Olo-marina Josefa
Nofinidin-dRay mpahary
Hitaiza sy hanolokolo
Zazakely zanahary ô
Ho famonjena ny tontolo
Ref: Josefa ô (x3)
Ny herim-po nanananao
Afindrao aminay
Mivavaha ho anay ianatononkira.serasera.orgo e
Mbola tany am-piadiana
Ka ny lalanay ho todisoa
Eo akaikin'i Jesoa
2- Tokantrano tsy nalaza
Fa sahiram-pivelomana
Herin-tsandry no sahaza
Niasana, Nitsembohana
Ka ny andronay rehetra
Dia natokanao nitia,
Ilay Jesoa tao Nazareta
Sy ny Reniny Maria