Hifòny Amin'Ny Ray (Asafa KTLM Benivary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Injany reko misy feo mibitsika
Mibitsika mangina , anatin'ny foko ao
Maniraka ahy Hitory, maniraka hiantso anao
Andao re miverena ao amin'Ilay Ray

Ireo filibàna maro, hadalàna
Fanaon'ny ety antany, mandalo ihany izany
Raha izay hoe rendrarendra no hianteheranao
Satana no hitsena miovà re dien'izao

Refrain
Ka raha mbola misy re, fotoana hibebahana
Ndeha re hiverina Amin-dRay sao ka ho tara Mibebaha
Miovà re ka andeha hialao, ireo fahotanao
Ireo haratsiana vitanao ento eo Amin'ny Ray

Hifòny Amin'Ilay Ray, hifòny dien'izao
Mbola misy ny fotoana sao sanatria
Ho neninao

2- Ka raiso re Ny Tompo, izao anio izao
Fa tsy hay anie izay hitranga aorian'izao ora izao
Miangavy mba henoy re, mba voahay ny fonao
Fa indro mandondòna ao Ilay Mpamonjinao

Ario ireo haratsiana, ario any avokoa
Ireo Sampy, Ody ratsy hialao fa tsy mahasoa
Raha ireo no hitokianao, mba ho aiza ny Fanahy
Hanenina any aoriana, manafatra aho izao

Refrain ........
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Asafa KTLM Benivary
Visites : 286
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : SainaRH
Date : 13/06/2025 20:34
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0182