Fisedrana (Asafa KTLM Benivary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Toa mandalo fisedrana hoe ianao ry sakaiza malala ôh
Miatrika ady mahamay mila ho kivy indraindray
Natao hampahery anao izao tononkira izao
Mitrakà ka mahereza, Ilay Jesô tsy mba mandao

Refrain
Ranomaso sy tomany, tsy ho foana ireo raha eto an-tany
Tombony ho anao mpanompo, tsy handao anao Jesosy Tompo
Izy ihany no hitokio ,ento Aminy ny olanao rehetra anio
Tsy hamela anao irery
Lay Jesô Mpampahery

Tsy izay olana miseo na ireo toloko sy toreo
Na ho mafy sy mangidy ekeo aloha f'izay no didy
Ezaho hifaliana hatrany na ireo sento na koa ireo tomany
Ilay Jesoa Tompo Mpanjaka, Tsy hanome  izay tsy zaka

2- Mafy koa hoe ny onjampiainana iainanao ka resy ianao indraindray
Feno alahelom-PO , Efa ho kivy ny fanahy
Aza kivy re sakaiza ôh , aoreno ny finoana
Mahereza aza tomany, Jesoa momba hatrany hatrany

Refrain........
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Asafa KTLM Benivary
Visites : 147
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : SainaRH
Date : 13/06/2025 19:02
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0945