HO AIZA (APF TANGAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain ( x2 )
Ho aiza e ! Ho aiza amin’ity tany ity e
Voahy e! Lay Jesoa Kristy
Mandondona e! Ny fonao izy e!
Hampandrosoy e! Hian-trano ao e !

1- Aza variana ianao amin’izao fiainan’izao
Revoka milalao sy mbola, Mbola manao la vie
Heritrereto izay hiafarana, Hialao amin’izay o any fahotana
Tompo Jesoa mbola miandry fôna

2- Aza mihevi-tena ho Favôry ianao
Tsy mila ny Tompo fa mahavita tena irery
Aza miandry voadona, izay ianao vao tonga saina
Dien’izao dia miverena

???Feon-kira???

Refrain ( x2 )

3- Ny andraikitra sy harena izay hanananao
Zay nomen’ny Tompo mba ho tantananao
Tsy natao hireharehana fa atolory an’ny Tompo
Hampanetren-tena lehibe

4- Ny tarehy amam-bikanao io anie
Zava-poana sy mora potika ihany
Aza variana amin’ny filany nofo,
Ny hadalana sy rendrarendra

(Ny eto an-tany anie ry zareo
Dia toerana natao ho hanefena
Hiomanana ny amin'ny mandrakizay
Ho eo anilan'ilay Ray
Katsaho hatrany ny fahamarinana
Tandrovy koa ny fahamasinana
Ka miovà mibebaha amin'izay
Andovanao ilay mandrakizay)

Refrain ( x2 )
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : APF TANGAINA
Visites : 118
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Nomenasyaina
Date : 31/05/2024 09:14
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6762