Victoire Rasoamanarivo (APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiv :
Ny voninahitrao Andriamanitra, miharihary eto anivonay
Ankalazaina sy deraina noho i Victoire Rasoamanarivo
Ilay santa-bokatry ny finoanay Malagasy
Reny mpiahy ny fiangonana sy fakan-tahaka
Asandratray Ray ô, ho voninahitrao !
Hamasino Ray ô, ho voninahitrao ! (x2)

1- Izy masim-piaina, tia vavaka tsy sasatra
Ny Soron’i Kristy no fanovozany hery
Tsy menatra ny finoana, sahy niaro tsy nivadika
Be fanetren-tena sy hatsaram-panahy
Nitandro sy nanaja ny hasin’ny tokantrano
Fon-dreny be fitiavana sy mangoraka ny madinika
Fatra-panaja an’i Maria ilay Reny modely
Victoire Rasoamanarivo !

2- Lahika mandray andraikitra, andrin’ny fiangonana
Niantsoroka adidy tamin’ny fotoan-tsarotra
Nanohana ireo mpino sy nitarika azy ireo
Hanamasin-tena mba hanamasina ny hafa
Sahy nisedra ireo sakana mba handravàna ny fiangonana
Nampiseho herim-po sy fahasahiana hijoro hatrany
Mila azy ho mpiaro sy fakan-tahaka izahay
Victoire Rasoamanarivo !
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana
Visites : 140
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : andryangelove
Date : 01/02/2024 08:24
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728