Miomàna (Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianareo no fanasin’tany , Ianareo no fahazavan’izao tontolo izaoKoa aoka ho lavorary ianareo ho toy ny Rainareo izay any an-danitra any ( Indroa )
Fa tsy fantatrao anie ny andron’ny Tompo , ( Ny andron’ny Tompo )
Fotoana hanamarinany , fotoana hanamelohany
Koa Miomàna dieny izao , mivonona ianao mba tsy hanenina amin’ny andro fitsaràny
Fa tsy fantatrao anie ny andron’ny Tompo , ( Ny andron’ny Tompo )
Fotoana hanamarinany , fotoana hanamelohany
Koa Miomàna dieny izao , mivonona ianao mba tsy hanenina amin’ny andro fitsaràny
Mizora amin’ny lalan’ny mazava , mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo ianao
Maneke ho mpanompo mahatoky dia manaova asa soa amim-pahamarinana
Iantrao ireo ory , iantrao ireo mahantra , mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo ianao
Mamafaza fitiavana fa lehibe ny valisoa anao amin’ny Ray
Fa tsy fantatrao anie ny andron’ny Tompo , ( Ny andron’ny Tompo )
Fotoana hanamarinany , fotoana hanamelohany
Koa Miomàna dieny izao , mivonona ianao mba tsy hanenina amin’ny andro fitsaràny
--------
Lien:
Commentaires
hery
(
22/12/2021 23:56)
Tsara be fa mbola mampidira mp3 ihany 😊
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antsan'ny Fo Masin'i JesoaVisites : 564
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR
Date : 20/12/2021 21:43