Ny feonao (Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny feonao ry Andriamanitra oh , Mahasambatra , mahasondriana
Satria manentana ahy,hiombom-pitiavana ao aminao

Ny feonao ry Andiamanitra oh , tsy kotro-baratra ka ampatahotra
Fa feom-pifaliana , miantso mangiana tsy lany hamamiana
Ny feonao ry Andiamanitra oh , tsy kotro-baratra ka ampatahotra
Fa feom-pifaliana , miantso mangiana tsy lany hamamiana
Sarobidy tokoa ny feonao , izay mibitsika mangiana ao
Mamelona ny ati-fanahy , ary mampisinda ny ahiahy
Tsy hihemotra aho ry Andriamanitra oh, fa mino tokoa ny feonao
Na ho lalina aza sy mihoatra ny fisainako , dia inty aho

Sarobidy tokoa ny feonao , izay mibitsika mangiana ao
Mamelona ny ati-fanahy , ( Ray oh ) ary mampisinda ny ahiahy
Tsy hihemotra aho ry Andriamanitra oh, fa mino tokoa ny feonao
Na ho lalina aza sy mihoatra ny fisainako , dia inty aho

Ny feonao Ray Oh ! Miantso anao mangiana
Ao amin’ny fifaliana , ny feonao Ray oh
Ny feonao Ray Oh ! Miantso anao mangiana
Ao amin’ny fifaliana , ny feonao Ray oh

Ny feonao Ray oh ! Miantso anao Mangiana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa
Vangy : 471
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR
Daty : 20/12/2021 07:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735