Ampy ahy (Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianareo koa ve tsy mba hiala , ianareo koa ve tsy andao ahy , Hoy ny Tompo , hoy ny Tompo ( Indroa )
Hankany amin’iza moa izahay ry Tompo , hankany amin’iza izahay , Hankany amin’iza izahay ry Tompo ? Nefa ao aminao no misy ny tena fiainana , ao aminao no teny fiainana mandrakizay
Anao ny safidy ….
Jereo fa maro no azonao iantsampazana amin’izao fiainana izao
Fa ny mpanompo sampy rehetra toa mahavita izay tiany atao
Fa ny lalan’ny fahaverezana toa manodoka aok’izany
Fa ny lala-mankàny amin’ny Ray, toa lalana tery dia tery

Ka anefa diniho izay hiafaranao , Tsarovy ny faran’izao tontolo izao
Ka ho any amin’iza moa izahay ry tompo ,hankany amin’iza izahay
Hankany amin’iza izahay ry Tompo, Hanaraka anao ve hitondra ny hazofijaliana sa hikatsaka kosa izay manodoka ihany
Ampy ahy ry Tompo
Ampy ho fifaliana ho ahy , ny fananako anao
Ampy ho fahasambarana ho ahy ny manao izay sitrakao
Ampy hanohana ny halemeko ny fahasoavanao
Ampy ho fanantenana ho ahy ny fiainana mandrakizay

Satria ianao ry Tompo no niandohàko, ao aminao koa no hiafaràko
Ka ho any amin’iza intsony izahay ry Tompo , Hankany amin’iza izahay
Tsy ho aiza tsy akory fa eo aminao lalandava , satria ianao ry Tompo no andry iankinako
Satria ianao koa no reharehako
Satria ianao ry Tompo no harena tokako , fa ianao irery no Andriamanitro
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Fo Masin'i Jesoa
Vangy : 384
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Rova Jahcs Ratsimbazafy - RJR
Daty : 20/12/2021 21:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0867