Anaty aizina (Antoko-Mpihira JIZRAHIA (Fjkm Ambohijafy Fanantenana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao anaty aizina no nadehanako
Tsy nahita izay nombana hiadanako oh
'zay rehetra hita tsy nety nahafa-po
Niserana irery moa (x2)

Ref :
Soa fa nisy ilay mazava izay nisintona ahy
Tsy mba sitrany ny ahavery zay ratsy fanahy
Inty aho Jesoa, vonona aho e!
Anio, Anio ho irakao aho andeha


Jamban'ireo reraky ny'zao fiainana izao
Difotry ny faharatsiana vao nahatsiaro Anao
Tsapako anefa mbola Namindranao fo
Matoa Voatananao hamoa (x2)

Ref :
Soa fa nisy ilay mazava izay nisintona ahy
Tsy mba sitrany ny ahavery zay ratsy fanahy
Inty aho Jesoa, vonona aho e!
Anio, Anio ho irakao aho andeha
Ouh... inty aho Jesoa
Ouh... anio anio ho Hirakao aho andeha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko-Mpihira JIZRAHIA (Fjkm Ambohijafy Fanantenana)
Vangy : 1138
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : TokyHars
Daty : 17/11/2017 07:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071