Ho mpandresy ianao (Antoko-Mpihira JIZRAHIA (Fjkm Ambohijafy Fanantenana))

Toa mitaky fiafihana ny manara dia Anao
Tsy ahitana fifaliana
Raha mihataka Aminao
Andriamanitra mahita ny fisasaranao ety
Tsy mandainga fa mamita
Izay hitoerana ary.

Ref:
Ho mpandresy ianao
Raha manaiky izay lazainy
Ho mpandresy ianao
Raha mitoetra an tranon dRainy.
Ho mpandresy ianao
Raha sendra mafy ny manjo
Ho mpandresy hatrany ianao hoe satria matoky tononkira.serasera.organ'i Jesoa.

Aza mety alaim-panahy
Raha reraka ny fo
Mandehana mivavaha
Raha azon ny manjo
Andriamanintra mahita ny fisasaranao ety
Tsy mandainga fa mamita
Izay hitoeranao ary.

Ref:
Ho mpandresy ianao
Raha manaiky izay lazainy
Ho mpandresy ianao
Raha mitoetra an tranon dRainy.
Ho mpandresy ianao
Raha sendra mafy ny manjo
Ho mpandresy hatrany ianao hoe satria matoky an'i Jesoa.

Mpihira : Antoko-Mpihira JIZRAHIA (Fjkm Ambohijafy Fanantenana)
Mpamaky : 1094
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : TokyHars
Tamin'ny : 21/11/2017 08:03:01
ID : 10191

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo