Midina Ianao (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Midina Ianao ho eto aminay hitoetra aminay ry Fanahy Masina ô!
Hiaro anay, hanampy anay amin’ny ady atao amin’ny ratsy
F’ilay satana mandreraka anay, mamokatra anay ry Tomponay Tsitoha ô!
Midina Ianao ho eto aminay hanjaka aminay Ianao no Aro ho anay

REF :      Ianao no miteny fa raha miantso Anao izahay
Ry tompo malalanay dia ho valianao
Hampisehoanao anay ny zava- mahagaga anay
Tsy takatry ny saina anananay
Ianao no milaza fa raha Ianao no miasa
Dia tsy misy mahasakana ny herinao
Matoky Anao izahay ry Tompo malalanay
Fa tsy handao anay mihitsy Ianao

Ity taninay ity ry Tompo Tsitoha afaho ny sampiny fa loza ho anay
Omeo anay hanjaka aminay ny Fanahinao mba hanoheranay
Ny ratsy rehetra tsy sitrakao no tianay toherina fa mandavo anay
Midina Ianao ho eto aminay hanjaka aminay Ianao no Ampinganay

REF :      Ianao no miteny fa raha miantso Anao izahay
Ry Tompo malalanay dia ho valianao
Hampisehoanao anay ny zava- mahagaga anay
Tsy takatry ny saina anananay
Ianao no milaza fa raha Ianao no miasa
Dia tsy mahasakana ny herinao
Matoky anao izahay ry Tompo malalanay
Fa tsy handao anay mihitsy Ianao

Midina Ianao ho eto aminay hitoetra aminay ry Fanahy Masina ô!
Midina Ianao ho eto aminay hanjaka aminay Ianao no Aro ho anay
'Ty taninay 'ty ry Tompo Tsitoha afaho ny sampiny fa loza ho anay
Midina Ianao ho eto aminay hanjaka aminay Ianao no Ampinganay

Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe- AMPIZIFA
--------
Lien:
Commentaires
AMPIZIFA ( 06/05/2024 10:15)
Midina Ianao Fanahy Masina: Hira mifanaraka amin'izao lohahevitra Mampahery ny Fanahin'ny Tompo izao sy ny Pentekosta
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMPIZIFA
Visites : 1005
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : EmpaMandala
Date : 19/08/2019 06:36
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.121