Misaotra Anao (AMEVIF(Efraima Vaovao FJKM Ifarihy Famonjena))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Noho ny otako Jesoa no nampisaraka ahy taminao
Ilay voaloham-pitiavanao nitazona ahy ka nanafaka ahy tanaty haizina.
Natao hoe ho very aho kanefa, hay mbola teo ny indrafo.
Ka Ianao mpanjakan'ny lanitra indray no indro nidina nateraka ho nofo.
Nanetry tena ho tonga olona nefa dia be voninahitra.
Miankohoka aho Jesoa fa tena resinao.
Ka manantitra izao fiderana izao.

Ref :Misaotra anao izahay Jesoa.
Fa navotanao tamin'ny famindram-ponao
Nomenao anao ka anio
Toy ireo mpanomponao fahiny raiso ny tsaokanay

Notiavin'Andriamanitra
Izao tontolo rehetra rehetra izao.
Dia nomeny ny zanany mba tsy ho very.
Izay rehetra mino fa hiaina mandrakizay
K'iza indray no be fitiavana
Noho ny fitiavanao Jesoa
Fa ny fahefanao dia navelanao ho famonjena anay izay vovoka.
Ny lalako izay diso teo aloha
Indro fa efa nakambanao
Tamin'ny tana-maherin'ny Tsitoha
Ka indreto izahay hanandra-peo ho anao.

Ref:
AMEVIF (Efraima Vaovao)
Tonony sy feo: RATEFIARISON Sandratr'Hasina
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMEVIF(Efraima Vaovao FJKM Ifarihy Famonjena)
Visites : 317
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : AMEVIF (Efraima Vaovao)
Date : 21/07/2022 13:11
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735