Mamelà anay (AMEVIF(Efraima Vaovao FJKM Ifarihy Famonjena))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inty aho manenina aho Tompo oh Tamin'ny adisoako
Fa tsy vitako izay rehetra sitrakao
Niniako tsy ho fantatra izay tena didinao
Nefa dia nataoko ihany
Ref:mamindrà fo amiko Andriamanitra o
Mamindrà fo fa tsy mendrika ho Anao
Mamindrà fo araka ny fihantranao
Mamindrà fo tamin'ny otako

Diso taminao aho Jesoa mangataka famelana
Mamindrà fo amiko Hianao Jesoa Tompoko
Aza esorina aminay ny Fanahy masina Jesosy o
Ampodio ho ahy ny famonjenao Ray

2/indro entiko eto Aminao ry Jesoa ireo otako
Ka koseho hiala amin'ny ranao soa
Diovy ho afa-keloka
Eo anatrehanao
Avelao reo otako
Ref:Mamelà anay Hianao Jesosy o
Mamelà anay ka diovy izahay
Mamelà anay afaho ny otanay
Mamelà ny helokay Jesoa
Miondrika eto anatrehanao
Zahay Jesoa mifona re
Mamela anay mifona eram-po Ray tsitoha
Aoka hitoetra aminay ny famindram-pona Jesosy o!
Araka ny anantenanay Anao


AMEVIF ( Efraima Vaovao)
Tonony sy feo : RAINIFARA Lota Laingita Zakaria
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMEVIF(Efraima Vaovao FJKM Ifarihy Famonjena)
Vangy : 352
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : AMEVIF (Efraima Vaovao)
Daty : 21/07/2022 12:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753