Sambatra Izahay (AMEVIF(Efraima Vaovao FJKM Ifarihy Famonjena))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambatra izahay fa nantsoinao
Hanara-dia sy hanompo Anao, sambatra.
Sambatra indrindra fa voafidy.
Nandray ny antso sarobidy.

Masina aminay ny antsonao, antsonao
F'ilay mpanjaka no nifidy anay.
Vonona izahay hanara-dia Anao.
Vonona hanao ny asanao.

Sambatra izahay fa nantsoinao ho mpiara-miasa Aminao,sambatra
Indreto izahay Jesoa malala fa hankantò tsy hisalasala.

Fa mpiara-miasa Aminao izahay, izahay
Hitory ny hatsaranao Tomponay.
Hiasa hatrany, hamafy teny soa.
Na dia mpanompo tsy mahasoa

Fa mpiara-miasa Aminao izahay
Ianao ilay mahery no nifidy anay.
Fa mpiara-miasa aminao izahay.
Vonona ny hiasa ho Anao izahay.

Sambatra izahay (*4)
Fa mpiara-miasa Aminao

AMEVIF (Efraima Vaovao)
Tonony sy feo :RAJAONARIVELO Andriamparanjaka
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMEVIF(Efraima Vaovao FJKM Ifarihy Famonjena)
Vangy : 400
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : AMEVIF (Efraima Vaovao)
Daty : 22/07/2022 09:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0773