Mbola be (AKON'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola be ny tiako hambara
Sy ho lazaina anareo
Nefa izany ankehitriny
Dia tsy hainareo zakaina
Fa rehefa tonga kosa ny fanahy fahamarinana
Izy hitarika anareo amin'ny marina rehetra
Amin'ny marina rehetra


Fiv:
Mino anao izahay ry Jesoa
Fa nambaran'ny fanahy e!
Ee! Misaotra anao izahay e!


Satria izy tsy hiteny
Momba izay mikasika azy
'Zay rehetra nolazainy
Ny ho avy no ambarany
Fa homeny voninahitra aho
Satria izy handray ny avy amiko
Ka izany no hampitainy, hampalalainy anareo
Hampalalainy anareo!


Izay rehetra an'i Raiko, dia fananako avokoa
Ary dia izany indrindra no efa nilazako hoe
Izay rehetra avy amiko no raisin'ny fanahy
Ka izany no hampitainy, hampalalainy anareo
Hampalalainy anareo !
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AKON'NY FAMONJENA
Visites : 1487
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Tannerk_Ystaf
Date : 29/01/2019 10:40
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721